Tsy nisy tafavoaka ho mpandresy ny lalaon’i Soudan Atsimo sy i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny Lalao Olympika 2028, ho an’ny taranja baolina kitra sokajy vehivavy. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1, ny roa tonta, omaly, tany Soudan Atsimo.
“Sady tsy resy no tsy nandresy ”! Nirava sahala 1 no ho 1, ny fihaonan’i Soudan Atsimo, sy ny Barean’i Madagasikara, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Juba National Soudan Atsimo. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny ady tapakila hiatrehana ny Lalao Olympika 2028, any Etazonia, ho an’ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana nifandimbiasana ny fifanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ary nisy hatrany aza ny fifandonana somary mafy teny ambony kianja.
Ny Malagasy mpilalao no nahatafiditra baolina voalohany, tamin’ny alalan-dRazananivo Solomampionona, ny minitra faha-18 ny fidirana voalohany. Niezaka nanenjika ny isa ihany ny mpampiatrano saingy io isa 1 no ho 0 io ihany no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Teo amin’ny fidirana faharoa, mampiseho ny heriny rehetra ny sodaney, ka nahasahala ny isa teny amin’ny solaitrabe, i Adong Joan, ny faha-56 minitra nilalaovana. Nijanona tamin’io isa ady sahala 1 no ho 1 io moa ny fiafaran’ny lalao.
Mbola hanana herijika ny hiakatra any amin’ny Lalao Olympika moa ny Barea Ladies, satria raha mahita fandresana fotsiny izy ireo, tafita amin’ny dinagana manaraka avy hatrany. Raha ny fikarohana natao, i Afrika Atsimo indray no mitsena azy ireo eo amin’ny dingana manaraka.
Tsara marihina fa ny fifandonana miverina, hotontosaina ny rahampitso, any an-toerana ihany. Ampahafantarina ihany fa noho ny Barea vehivavy, tafiditra anatin’ireo firenena enina ratsy laharana indrindra aty Afrika, nahatonga azy ireo manao ity lalao savaranando ity.
Fitia Randria




