Lalambe migodana : Kaominina roa no hisitraka fotodrafitrasa maro

Hetsika sosialy roa no nataon’ny orinasa Samcrete mahakasika kaominina roa, izay voakasiky ny tetikasa fanamboarana ny lalambe : ny kaominina Ambohimanga Rova sy ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy.

Ny EPP Ambodifasina no anisan’ny hatao sekoly fitaratra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ho fitaratra amin’ireo sekoly manodidina na miahy tena na miankina amin’ny fanjakana. Mifanome tanana avokoa ny rehetra hanatrarana ny tanjona ahitana ny fanjakana foibe, mpitantana ny sekoly, mpianatra sy ny ray aman-dreniny ary indrindra ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sehatra tsy miankina miasa eny amin’ny manodidina. Iray amin’ireo manampy tosika ny Samcrete izay orinasa miandraikitra ny fanamborana ny lalambe (voie rapide) mampifandray an’An­tana­narivo sy i Toamasina. Tamboho ho fiarovana ny fotodrafitrasa, trano fidiovana, toerana fanariana fako ary zaridaina ahafahan’ny ankizy miditra sahady amin’ny fambolena no napetrak’izy ireo ao anatin’io EPP io. Tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe fandraisan’andraikitry ny orinasa eo amin’ny sosialy sy ny tontolo iainana ireo rehetra ireo.
Nambaran’ny tomponandraikitry ny Samcrete fa resy lahatra izy ireo fa ny fampandrosoana ara-toekarena dia miankina betsaka ihany koa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nosafidiany hatao sekoly filamatra ao anatin’izany ny EPP Ambodifasina. Na­petraka hotantanan’ny sekoly manontolo ny fotodrafirasa rehetra natolotra tao amin’ny EPP Ambodifasina.
Asa sosialy faharoa nataon’ny Samcrete, ny faran’ny herinandro teo, ny fanolorana tetezana ho an’ny kaomininana Ambohimanga Rova. Tetezana izay nasiam-panavaozana re­hefa nampikaikaika ny mponina tao anatin’ny taona maro. Olona an’arivony isan’andro no mivezivezy eo amin’ny tetezana io. Teo aloha, rehefa avy ny orana ka miakatra ny rano, voatery mitsaka rano ny vahoaka ka voavaha tanteraka ny olan’izy ireo ankehitriny.

Vonjy

Partager sur: