Afaka efatra andro eo, hanomboka indray ny fetin’ny baolina kitra maneran-tany, na ny Mondial 2026, izay hatao any Meksika, Etazonia, Canada. Ny fifanandrinan’i Meksika sy Afrika Atsimo, moa no hanokatra ny lanonana, ny 11 jona ho avy io, ao amin’ny Estadio Azteca. Fa anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny mpankafy baolina kitra maro, ny fifandonan’ny Seleçao Bresil sy ny Lion de l’Atlas Maroc, izay hatao ny 13 jona ho avy io, ao amin’ny Metlife Stadium Etazonia.
Raha ny fikarohana natao, eo amin’ny laharana fahenina maneran-tany amin’ny Fifa, ny brezilianina, raha toa ka fahafito, ny marokanina. Ny taona 2023, nisy ny fihaonan’ny roa tonta farany, ary lavon’ny Lion de l’Atlas Maroc, 2 no ho 1, ny Seleçao Bresil, tamin’izany fotoana izany. Samy manana mpilalao kalaza izy roa ireo. Raha ho an’i Bresil, hita ao avokoa ry Neymar Junior, Marquinos, Vinicus, Raphina.
Fitia Randria




