Niady tamin’ny olon-tiany; Vehivavy mpianatry ny Oniversite nisotro asidra iray litatra

Nitelina asidra efa ho iray litatra, nifamonjen’ny fokonolona sy ny mpitsabo ny vehivavy iray tao Andranomadio parisela 11/44, Toamasina, ny sabotsy 6 jona tamin’ny 9 ora maraina. Nahare olona nitaraina sy nitomany tao amin’ny tokantrano iray ny mpiray vodirindrina ka nijery ny zava-nisy. Vehivavy mbola mpianatra eny anivon’ny Oniversite io nanandrana nisotro ranon’asidra io. Niantso ny manodidina avy hatrany ny nanatri-maso ary nitady ny fomba rehetra nanavotana ny ain’ilay vehivavy. Nahitam-bokany io fihetsika io satria avotra soa aman-tsara io olona nikasa hamono tena io. Na izany aza, arahi-maso akaiky ny fahasalamany noho ny fahavoazana niharatra taminy. Araky ny fanadihadiana natao tamin’ny io olona nisotro asidra io, olana ara-pitiavana no nanosika azy hanaotao foana tahaka izao. Nitrangana disadisa teo aminy sy ny olon-tiany ka nahatonga azy hisotro io zavatra mahafaty io. Marihina, miseolany ny tranga famonoan-tena ataon’ireo tanora vao erotrerony tato ho ato. Fototra mahatonga izany matetika ny olana eo amin’ny tokantrano, fifandirana amin’ny olon-tiana sy fahadisoam-panantenana amin’ny fiainana matetika.

Sajo

Partager sur: