Fanamby napetraky ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo ny hamerina indray ny kaompania Air Madagascar. Efa mitsangana ny vaomiera manokana Task Force, hisahana ny fanatanterahana izany.
Anisan’ny fanirian’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nanaiky ny hamerenana ny kaompania Air Madagascar nandritra ny lahateniny tamin’ny televeziona iray, ny 31 mey teo. Ao anatin’ny fanatanterahana izany ny fananganana ny Task Force, ka tanjona ny hahavitan’izany ato anatin’ny enim-bolana. Natao ny alakamisy 4 jona teo, ny fivoriana fahefatry ny Task Force, notarihin’ny sekretera jeneraly ny minisitera MTM, Randrianarison Mahery.
Fotoana nandinihina ny drafitra entina hanarenana ny kaompania Air Madagascar sy ireo orinasa miankina na mifandray aminy. Ao anatin’izany ny hijerena ny fomba hanalana ny kaompania ao anatin’ny fanaraha-maso ara-pitsarana. Fepetra mangeja azy tsy afaka hiasa, izany hoe, tsy afaka hisidina, noho ny trosany, mitentina manodidina ny 100 tapitrisa dolara, izay an’ny fanjakana malagasy ihany ny 60%, na ireo orinasa miankina amin’ny fanjakana. Nodinihina ny hanomanana ny fivoriana iarahana amin’ireo manana trosa amin’ny Air Madagascar rehetra. Eo koa, ny famaritana ny zotra nasionaly, zotram-paritra sy iraisam-pirenena, handehanan’ny sidina. Nofantarina ireo mpiara-miombon’ antoka sy ny kaompania vahiny, ho azo iaraha-miasa, hanomanana ny fiaraha-miasa.
Tsy nahavaha olana
Nandray anjara tamin’ity fivoriana ity daholo ireo mpisehatra mifandray amin’ny Air Madagascar. Manodidina ny 800 ny mpiasa, ka misy ireo nijanona ho ao amin’ny kaompania, ary eo koa ireo nifindra any amin’ny Madagascar Airlines. Samy nitondra fanazavana sy nanome vahaolana maharitra ireo nandray fitenenana.
Tamin’ny taona 2021 no naato ny Air Madagascar, ary natsangana ny Madagascar Airlines. Maro ny fanankianana mikasika izany, satria tsy nitondra vahaolana, sady tsy neken’ny ankamaroan’ny mpiasa.
Njaka Andriantefiarinesy




