Ady amin’ny famarinan’olona : Polisy 142 nahavita fiofanana ‎

Nofaranana teny amin’ny ENSP Ivato, ny faran’ny herinandro teo, ny fiofanana momba ny ady amin’ny fanondranana olombelona, nandraisan’ireo polisim-pirenena miisa 142 anjara. Nanomboka ny volana avrily ny fiofanana. ‎
Manampy ny polisim-pirenena amin’ny fahafantarana bebe kokoa sy fandalinana ireo paikady enti-manadihady amin’ny ady amin’ity asa ratsy ity ny fiofanana. Antoka hiarovana ny olona sy ho fampiharana ny zon’olombelona izany.
Tanjona lehibe ny fiarovana ny mpiray tanindrazana amin’ireo fanararaotana isan-karazany amin’izany fanondranana olombelona izany.
Niaraha-niasa tamin’ny Firenena mikambana (ONUDC) ny fiofanana. Nahitana ireo polisy avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny fanaraha-maso ny fifindra-monina (DCM). Teo koa ny polisy miaro ny sisintany sy ny habaka (PAF), ny sampandraharahan’ny pasipaoro, ny sampandraharaha miady amin’ny fanondranana olombelona sy ny ady amin’ny hosoka (SCESLF), ny ENSP ary ny Eniap. Teo ambany fiahian’ny Fitalevana misahana ny fikarohana sy fampiofanana mitohy (DRFC) izany.

Tatiana A

 

Partager sur: