INDRAY MIJERY

Nanadio teny amin’ny Tsenan’Andra­voa­hangy ny CUA, ny RF2, ny lehiben’ny Tsena ary ny sampana vonjy voina. ‎Nesorina ireo fako sy loto niangona, nodiovina ny manodidina ny tsena. Ho fanatsarana ny fahadiovana sy hitandroana ny fahasalaman’ny mpivarotra sy ny mpanjifa izany.

Tsy mitsahatra ny fanangolena mahazo ireo olona manana toe-tena varira. Nilaza ny lehiben’ny fikambanan’izy ireo fa taorian’ilay famonoana zaza tao Toliara tampon-tanàna, nahazo fandrahonana tamin’ny alalan’ny hafatra miafina ireo fianakaviana. Mandry tsy lavo loha izy ireo ary miantso ny fiaraha-miasa hatrany amin’ny mpitandro filaminana eny ifotony.

Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro, omaly, momba ny fikorontanan’ny habaka. Vinavinaina hisy rotsakorana arahina havandra any amin’ny faritra avo sasantsasany eto amin’ny afovoan-tany. Raha ny toetry ny andro kosa, afaka miseho avokoa ny tranga rehetra rehefa feno ny fepetra manamora izany.

Partager sur: