Lakana rendrika an-dranomasina : Olona roa maty, iray mbola karohina

Nitombo ho roa ny olona namoy ny ainy nandritra ny faharendrehan’ny lakana iray tany Maroantsetra, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray, izay tra-doza tamin’izany. Cameraman nikasa haka sary mandritra ny hetsika Morengy tany Maraontsetra izy, saingy izao namoy ny ainy izao. Tovolahy iray hafa, mpanentana amin’ny hetsika morengy avy ao Mananara Avaratra, mbola karohina hatramin’izao. Marihina fa olona enina avotra soa aman-tsara ary efa tsy misy atahorana ny ainy, ny alahady teo. Vehivavy iray bevohoka no hita faty tamin’izany. Ambany ny haavon’ny ranomasina tamin’ny fotoana nandehanan’izy ireo ka tsy afaka niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Maroantsetra ny sambo lehibe hitondra ireo mpandeha ho any Maroantsetra. Tapa-kevitra ny handeha tamin’ny lakana hazo misy motera izy ireo, ny sabotsy tokony tamin’ny 7 ora alina. Tsy nahatohitra ny onjan-dranomasina anefa ilay lakana ka nivadika ambony ambany rehefa teny an-dranomasina. Nilentika avokoa ireo mpandeha. Taorian’ny tranga, notanana natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny zandariamaria ao amin’ny tobim-paritra Maroantsetra ny mpanamory roa lahy sady tompon’io lakana io.

Sajo/ Mino

Partager sur: