Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”.
Adin’ny samy henjana ny fifanandrinan’ny Ajesaia sy ny Disciples FC Vakinankaratra, lalao hanokafana ny manasa-dalan’ny fifaninanam-pirenena PFL, ny sabotsy ho avy izao, eny Iavoloha. Mbola manala vela amin’ity fifanandrinana ity ny Disciples FC, izay resin’ny Ajesaia, 2 no ho 0, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana natao tany Antsirabe, ny taona 2025 lasa teo.
“Ao anatin’ny heriny daholo ny mpilalao anay amin’izao fotoana. Efa maro ny fanomanana natao. Ekipa goavana sy ao anatin’ny heriny mihitsy ny Ajesaia, ary somary sarotra ny hifanandrina aminy, saingy hiezaka izahay ny haka ny fandresena”, hoy Razafintsalama Tojo Sitraka, sekretera jeneralin’ny Disciples FC.
Etsy ankilany, ny Ajesaia milaza fa horaisin’izy ireo ho toy ny fanomanana ny lalao famaranana ny fiatrehana an’ity ekipa avy any Vakinankaratra ity. “Manomana toy ireny hiatrika lalao famaranana ireny ny mpilalao anay amin’izao. Anisan’ny ekipa goavana eto Madagasikara ny Disciples, ary manana mpilalao avo, izay saika Barea avokoa izy ireo, raha toa ka mbola tanora daholo ny anay Ajesaia. Ambony ny herijika ho anay amin’io fihaonana io”, hoy indray i Indraniarivo Tojo,
Adin’ny samy Atsimo
Ankoatra izay, hafana koa ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elgeco Plus, hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny an-toerana ihany. Fifanandrinan’ny samy ao amin’ny Kaonferansy Atsimo izy ity ary efa mifankahalala tsara ny roa tonta. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, izy ireo nandritra ny fihaonana farany, ny 22 marsa lasa teo.
Fitia Randria




