Hifarana ny volana jolay ny taom-pianarana 2025-2026. Namoaka ny tetiandrom-panabeazana ho an’ny taom-pianarana 2026-2027 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa mandeha sahady rahateo ny fisoratana anarana amin’ ireo sekoly sasany, indrindra amin’ireo sekoly tsy miankina.
Hiditra hametraka ny lamina rehetra ny mpandraharaha eny anivon’ny sekolim-panjakana rehetra ny 24 aogositra izao. Ny 31 aogositra kosa ny fidiran’ny mpampianatra, hanomana ny fandraisana ireo mpianatra. Ny 7 septambra, fidiran’ny mpianatra rehetra an-tsekoly. Any amin’ny volana febroary ny fanamarihana ny Andron’ny sekoly.
Misokajy 5 hatrany ny taom-pianarana ka ny 7 septambra 2026 hatramin’ny 30 oktobra 2026 ny andiany voalohany. Misy ny fialantsasatry ny fahatsiarovana ireo olomasina hatramin’ny 8 novambra. Ny 9 novambra hatramin’ny 23 desambra ny andiany faharoa amin’ny taom-pianarana ka any amin’ny 3 janoary no tapitra ny fialantsasatry ny Noely. Ny 4 janoary 2027 hatramin’ ny 26 febroary 2027 kosa ny andiany fahatelo. Ny 1 marsa hatramin’ny 30 avrily ny andiany fahefatra ary ny 10 mey hatramin’ny 30 jona 2027 ny roa volana fahadimy, mamarana ny taom-pianarana. Ny 15 jona 2027 no hatao ny fanadinam-panjakana CEPE. Ny 5 hatramin’ny 5 jolay ny fanadinana BEPC.
Tatiana A




