Hifantoka any Etats-Unis sy Mexique ary Canada ny sain’ny maro, indrindra ny mpankafy baolina kitra, manomboka amin’ity alakamisy ity. Mandritra ny iray volana, hiaina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026», izao tontolo izao. Tsy ho tompon-trano mihono ny Malagasy fa hahita fihaonana mivantana miisa 44.
Hiaina ao anatin’ny fetin’ny baolina kitra «Mondial 2026» izao tontolo izao, manomboka anio alakamisy 11 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2026. Fihaonana hotanterahina any Etats-Unis sy Mexique ary Canada. Anisan’ireo firenena hiaina izany ny eto Madagasikara ka hahita lalao mivantana miisa 44 amin’ireo 104. Nampahafantarina tetsy amin’ny foiben’ny Canal Plus Madagascar tetsy Andraharo, izany omaly. Fiaraha-miasa eo amin’ny ORTM sy ny Canal Plus ary ny fanjakana foibe ny nahafahana nahazo izany, araka ny nambaran’i Christophe Dessaints, tale jeneralin’ny Canal Plus Madagascar. Ny fahitalavi-pirenena (TVM) irery ihany no hany nahazo alalàna avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) mandefa ireo lalao ireo. Hisantatra izany, anio, ny lanonam-panokafana sy ny lalao voalohany hikatrohan’i Mexique sy i Afrika Atsimo. Ankoatra ireo fihaonana fifanintsanana, hahita ireo ampahefa-dalana miisa efatra sy manasa-dalana roa ary ny fiadian-toerana sy ny famaranana, miampy ny lanonana fanolorana ny amboara, ny eto Madagasikara.
Nambaran’i Lemana Elisée, talen’ny ORTM fa anisan’ireo firenena nahazo ny sary mivantana be indrindra i Madagasikara. Na izany aza, tsy ny Malagasy no misafidy ny lalao tiany ho jerena fa izay alefan’ny Fifa ihany. Hametrahana toerana “Fan zone”, misy fahitalavitra lehibe ny faritra rehetra eto Madagasikara hahazoan’ny rehetra manaraka ny lalao. Hotantaraina mivantana amin’ny onjampeom-pirenena (RNM) ihany koa ireo lalao 44.
Ankoatra izay, nampahafantarin’ny talen’ny Canal Plus ireo tolotra vaovao ao aminy, mifantoka amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena “Malagasy M’fety”.
Tompondaka




