Hentitra ny fanjakana amin’ny fampizorana antsakany sy andavany ny fanadinam-panjakana rehetra na ny CEPE na ny BEPC na ny Bakalorea. Nampahatsiahy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa voarara ny fividianana sy fivarotana laza adina. Mahavoasazy ny fivarotana izany na mivantana na eny amin’ny tambajotran-tserasera.
Araka ny didy aman-dalàna manan-kery sy ny didim-pitondrana laharana faha-19437/2026 tamin’ny 4 jona 2026, izay tratra manao izany dia iharan’ny sazy henjana. Anisan’izany ny sazy arakasa sy sazy famaizana ho an’ny mpisam-panjakana mividy na mivarotra laza adina. Sazy famaizana ho an’ny olon-tsotra mividy na mivarotra laza adina. Fandrarana tsy hanala fanadinam-panjakana mandritra ny iray taona ka hatramin’ ny telo taona ho an’ny mpiadina mividy laza adina.
Tsy hitsitsy amin’ny famaizana sy ny fandraisana andraikitra ny fanjakana. Misy mahasahy mivarotra laza adina aman-tapitrisa ariary mihitsy eny amin’ny tambajotran-tserasera. Kanefa tsy azo antoka na ilay laza adina tena izy iny na hosoka.
Tetsy andaniny, nizara hafatra ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mila famerenan-desona ireo ankizy ka tsy tokony ho kotabaina na hovesarana andraikitra be intsony. Araho, araka ny tokony ho izy, ny toromarika omen’ny mpampianatra nandritra ny taom-pianarana fa hanampy amin’ny fahombiazana izany. Tokony hanara-maso ihany koa ny ray aman-dreny. …
Tatiana A




