Fimpima Antsirabe: Hosaloran-damba ny andiany Loharano

Natao nandritra ny volana mey ary nifarana ny sabotsy teo ny fanadinana famaranana ny taom-pianarana 2025 – 2026, tamin’ireo sampana 12 mandrafitra ny faritany Fimpima Antsirabe. Misalotra ny andiany “Loharano” izy ireo, ka namaranana ny fanadinana sampana Fimpima. “Ilo tsy very. Laza adina am-bava sy an-tsoratra avy any amin’ny Fimpima foibe no nataon’ireo mpianatra ary natrehin’ny mpikambana anatin’ny biraom-paritany. Tsikaritra fa navitrika ary miandahy miambavy ireo mpianatra kabary ato anatin’ny faritany Antsirabe tamin’iny taom-pianarana iny”, hoy ny filohan’ny faritany Fimpima Antsirabe, Ramatoa Hary Ranaivozandriny.
Ny faha-27 ny volana jona izao no hanolorana ny mari-pahaizana avy amin’ny Fimpima foibe ho an’ireto andiany. “Loharano” ireto manoloana ny tsangam-baton’ny fahaleovantena Antsirabe sy hanasalorana ihany koa ny lamban’andiany amin’ny maha mpikabary azy ireo. Hatao any amin’ny faritany Mahajanga kosa, ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra izao ny zaikabe fanao isaky ny efa-taona ho an’ny mpikambana rehetra manerana ny Nosy sy ny any ivelany.

Zo ny Aina

Partager sur: