Mijery ny fomba hanohanana ny rafi-pahasalamana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka ka nanohana ara-pitaovana sy ara-teknolojia ireo ivotoeram-pitiliana LA2M avy amin’ny UNOPS. Tamin’ny alalan’ny fanomezana « kit Starlink” izany. Hapetraka amin’ny ivontoeram-pitiliana LA2M ao Nosy Be, Place Kabary, Mahavoky Atsimo, Morafeno, Tambohobe, Mitsinjo Betanimena ary Fort-Dauphin ireo fitaovana ireo. Hanatsarana ny fepetra enti-miasa sy ny kalitaon’ny asa eny anivon’ireo Laboaratoara LA2M manerana ny Nosy, ahafahan’izy ireo manatanteraka araka ny tokony ho izy ny asa.
Taorian’ny fitetezam-paritra sy ny fandraisana antontan-taratasy ho an’ireo mpampianatra « vacataires » izay nahafeno ny fepetra tamin’ny « Recrutement ampahibemaso » niarahana tamin’ny Bianco, miroso amin’ny dingana manaraka ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Natomboka omaly ny « Guichet unique » iarahana amin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola hanafainganana ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra. Anisan’ny asa atao amin’izany ny fanamarinana ny fahafenoan’ny antontan-taratasy sy ny fisorohana ny mety ho fisian’ny hosoka. Eo koa ny fanatanterahana ny « visa » eo anivon’ny minisitera roa mpiara-miasa.




