Nisy fotoana nampiroborobo fatratra ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Nihena miandalana, anefa, izany. Nihena nanaraka io ihany koa ny lenta na ny kalitao sy ny fenitra samihafa. Ankehitriny, miandrandra vokatra tsara.
Iray amin’ireo zavakanto sy kolontsaina mahasarika Malagasy maro ny sarimihetsika. Raha ny lalana nodiaviny. Efa tokony tafakatra amin’ny dingana ambony kokoa noho izao ny sarimihetsika malagasy. Miteny izany avokoa, na ireo mpisehatra milomano ao anatiny, na ireo mpankafy tsotra. Fa tsy mbola izay anefa ny zava-misy eto… Ankavitsiana ireo sarimihetsika malagasy notontosaina sy novokarina Malagasy eto Madagasikara no manana ilay kalitao sy fenitra, na eo amin’ny lafiny teknika izany na eo amin’ny firindran’ny tantara mihitsy. Anisan’ny tanjona napetraka tamin’ny nikarakarana ny « Madagascar Film Festival – ISSM Awards » tamin’ny taon-dasa ny handrisihina ireo mpanatontosa, mba afaka mandahatra ireo vokatra hifaninana amin’ity hetsika ity.
Hasongadina ireo mendrika
Fantatra fa hotontosaina ny 20 hatamin’ny 23 aogositra izao ny andiany faharoa amin’ity hetsika ho an’ny sarimihetsika malagasy ity. Ireo heverina fa sarimihetsika mendrika indrindra, navoaka nandritra ny taona iray, no hasongadina mandritra izany. Efa nisokatra nanomboka omaly ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo mpanatontosa sarimihetsika matihanina malagasy, manana vokatra tiana hifaninana. Afaka mandray anjara avokoa ny avy amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara. Entanina koa ireo mpampiron-kevitra sy mpamorona votoaty niomerika mba handray anjara. Tsy hijanona amin’ny fifaninanana fotsiny fa homen-danja koa ny fifanakalozana mandritra ny « festival » mba hahatongavana amin’ny tanjona iombonana, ho fanandratana ny sarimihetsika malagasy.
Zo ny Aina




