Hanatanteraka ny « Grande messe eny Ut mineur KV 427 » ny Ensemble Vocal Hiraitra. Sanganasan’i W.A Mozart, anisan’ny maro mpitia izy io. Indroa miantoana ny hanatontosan-dry zareo izany eny amin’ny Cathédrale Saint Laurent Ambohimanoro. Ny zoma 3 jolay, amin’ny 7 ora hariva sy ny alahady 5 jolay, amin’ny 3 ora tolakandro. Fizarana voalohany, hamelomana ny « Kyrie en D mineur Kv 341 », « Veni sancte spiritu Kv 47 », « Ave verum corpus Kv 618 », « Misericordia Domini Kv 222 ».
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Hanatanteraka fampisehoana etsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina, ny tarika Solika, ny talata 23 jona izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Hitambolona amin’io fotoana io ny sanganasan-dry Rasamy Gitara, Therack Ramamonjisoa, Justin Rajoro ary Naka Rabemanantsoa.
« Ketrika ainga : Sandratra miaina, soratra mihaino ». Fandaharam-potoana hanohizan’ny Faribolana Sandratra ilay hetsika « Hadimiana Sandratra » ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, anio. Manomboka amin’ny 10 ora maraina, atrikasa momba ny filalaovana tantara an-tsehatra, miaraka amin’i Herinina sy Anjara Tsy Ahy. Amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro, antsa malalaka ho an’ny rehetra. « Ny teny malagasy sy ny fitiavan-tanindrazana tarafina amin’ny asa soratry ny Faribolana Sandratra, kosa manomboka amin’ny 2 ora sy sasany.




