Hotanterahina ny 29 sy ny 30 aogositra ho avy izao, eny amin’ny Rayim Building na Sodiama Ankorondrano, ny andiany fahatelo amin’ny “Tiakaly Food Festival” (TFF). Hetsika iarahan’ny Okalou sy Rakotondrainitomaho Johary Tsiory, fantatry ny maro amin’ny hoe Tiakaly, misalahy. Nambaran’i Tiakaly fa natao izao mba hahafahan’ireo mpankafy sakafo miaraka sy miara-misakafo ary miaraka miala voly. Tsy izany ihany fa afaka manandrana an’ireo sakafo anatin’ny “restaurant” maro sy tsara ao an-toerana, mandritra ny fotoana fohy ny mpitsidika. Raha tsy misy ny fiovana farany, miisa 45 izy ireo amin’ity. Mpitsidika maherin’ny efatra arivo no andrasana hitsidika eny an-toerana, amin’io fotoana io. Hampiavaka ny TFF amin’ity ny fisian’ny “grande tablée” miisa efatra, raha toa ka roa fotsiny izany ny taona lasa. Raha ny fanazavana voaray hatrany, noraisina ho lohahevitra amin’ity ny “Le grand voyage culinaire” na ny Diabe ny haren-tsakafo samihafa. Ho tazana ao avokoa, araka izany, ny sakafo malagasy, sinoa, japoney, koreanina, afrikanina, polynezianina… Tsiahivina fa tamin’ny taona lasa, nahatratra telo arivo ny isan’ny mpitsidika. Ampahafantarina ihany fa i Tiakaly, tia mizara momba ireo toeram-pisakafoana sy resaka sakafo ary dia amin’ny tambajotran-tserasera, nanomboka ny taona 2020, ary lasa asany feno izany nanomboka ny taona 2024.
Fitia Randria




