Nanamafy ny fomba hitsarana ny ankizy, amin’ny alalan’ny fananganana ny drafitrasa 2026-2027, hampiroborobo ny rafitra fanagadrana manaja ny zon’olombelona i Madagasikara.
Ahitana tanjona valo ny drafitrasa, hiantohana ny fisian’ny fitsarana mifanaraka sy miaro ny ankizy. Hanatsarana ny fahombiazana sy ny hafainganam-pandehan’ny raharaham-pitsarana,
hampiroboroboana ny rafitra fanagadrana manaja ny zon’olombelona. Eo koa ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo andrimpanjakana sy hanatsarana ny fahazoana vaovao ara-dalàna. Hanamafisana ihany koa ny fanentanana sy ny fisorohana eny anivon’ny fiarahamonina ary hametrahana tontolo ara-dalàna maharitra sy miaro azy ireny.
Mifanaraka amin’ny Politikam-pirenena momba ny fiarovana ny ankizy (PNPE) izany. Mirakitra ireo lahatsoratra ara-dalàna nasionaly sy iraisam-pirenena rehetra manan-kery eto Madagasikara ny boky fanangonana lahatsoratra momba ny zon’ny ankizy nohavaozina. Natao ho an’ny mpitsara, ireo mpanampy ara-pitsarana ary ireo matihanina rehetra miasa amin’ny sehatry ny zon’ny ankizy izany. Ity boky ity izay mikendry ny hanamafisana ny fampiharana marina sy mahomby ireo lalàna miaro ny ankizy.
Araka ny antontanisa avy amin’ny fitantanana ny fonja sy ny fandaharanasa fiarovana ny ankizy ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, nihena hatrany ny isan’ny ankizy voafonja eto Madagasikara. Manodidina ny 1 117 izany ny taona 2023, 915 kosa tamin’ny taona 2025, izany hoe, nisy fihenana 18% eo ho eo.
Nandritra io vanim-potoana io ihany koa, nihena 52% ny isan’ireo ankizy latsaky ny telo taona miara-monina amin’ ny reniny any am-ponja. Niisa 201 izany ny taona 2023 raha nihena 95 tamin’ny janoary 2026.
Ireo vokatra ireo izay maneho ny fahavononan’ny tomponandraikitra hampiroborobo ny fepetra hafa ankoatra ny fanagadrana ary miaro kokoa sy mifanaraka amin’ny filàn’ny ankizy, araka ny fenitra iraisam-pirenena.
Tatiana A




