Jiolahy 15 lahy nanafika : Tokantranona zandary voatafika, olona roa naratra

Notafihin’ny jiolahy miisa 15 mirongo fitaovam-piadiana ny tokantranona zandary iray tany amin’ny fokontany Anda­boly, kaominina andrenivohitra Toliara I, distrikan’i Toliara I, ny alin’ny talata hifohy ny alarobia lasa teo. Nisaron-tava avokoa ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nanatanterahiny ny asa ratsy. Tsy tao an-trano ilay zandary tompon-trano nandritra ny fanafihana ka nanararaotra ireo olon-dratsy. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano izy ireo, nanambana basy ny olona tao anatiny ary nitaky ny vola rehetra, raha ny fanazavana voaray. Vokany, voaroba, ta­min’izany, ny vola mitentina 6 000 000 Ar, finday miisa dimy, solosaina telo, basy Pistolet automatique iray ary firavaka volamena sy volafotsy maro tao amin’ny tokantrano. Nandritra ny fanafihana, naratra teo amin’ny tarehiny voadarok’ireo olon-dratsy ny renim-pianakaviana 54 taona, vadin’ilay zandary sy ny vehivavy 37 taona, mpanampy tao an-trano. Lasa nitsoaka nihazo ny lalana nianavaratra nankany Tanandava ny lalan’ireo jiolahy taorian’ny asa ratsiny.
Tonga teny an-toerana nitrangan’ny fanafihana ny zandary miisa dimy miasa ao amin’ny Compagnie territoriale Toliara taorian’ny tranga. Efa mitohy ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy, saingy mbola tsy nisy tratra hatramin’ny omaly. Efa nentina notsaboina any amin’ny hopitaly kosa ireo naratra ary tsy misy ahina ny toe-pahasalamany. Nian­draiki­tra ny fanadihadiana ny zandarimaria avy amin’ny brigade territoriale Toliara.

Mino

Partager sur: