Nanapa-doha zaza varira Olona :18 nalefa eny Antanimora sy Tsiafahy

Niakatra teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, afakomaly, ireo olona 18. Voarohirohy ho namono sy nanapa-doha za­za­vavy varira vao herintaona sy tapany tany Ankalika, kaominina an-drenivohitra Toliara I, ny 28 mey 2026 teo, izy ireo. Nalefa vonjimaika eny Tsia­fahy ny 16 ary eny Anta­nimora ny roa ambiny. Fakana an-keriny niafara tamin’ny fahafatesan’ilay zaza, varotra tsy ara-dalàna taovan’olombelona ary fidirana amin’ny fikambanan-jiolahy no vesatra iampangana azy ireo. Samy niaiky ny heloka vitany sy nanazava ny andraikitra nosahaniny avy izy rehetra nandritra ny famotorana. Misy ny mpitady toerana ahitana zaza varira, ao ny manomana ny paikady hakana an-keriny ary ny mamono sy maka ny taova izay ilaina. « Nentina teto Antananarivo ny raharaha, satria, heverina fa ny fonjaben’i Tsiafahy no mendrika azy ireo », hoy ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana Anosy, Rakotoniaina Narindra, omaly. Raha tsiahivina, nidiran’ireo olon-dratsy an-keriny ny to­kantranon’ny ray aman-drenin’io zaza varira io, ny alakamisy 28 mey 2026 maraina, tamin’ny 1 ora. Nalain’ireo jiolahy nandritra izany ilay zaza. Niezaka nanohitra ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana ka noratrain’izy ireo. Manana zandry kely io zaza varira nisy an-keriny io, saingy voaafina ka tsy lasan’ireo jiolahy. Mitohy ny fanadihadiana ary mbola eo am-pikarohana ny tompon’antoka amin’izao tranga izao, ny manam-pahefana.

Mino

Partager sur: