ALSA : Mivondrona hampandroso ny ligy tsirairay

Nampahafantarina ofisialy  ny herinandro teo,   teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina,  ny fitsanganan’ny fikambanana Alsa (Alliance des ligues sportives d’Analamanga). Fikambanana hivondronan’ireo ligy amin’ny taranja misy eto Analamanga,  izay tafatsangana ny volana avrily lasa teo. Tanjona amin’ny nananganana azy  ny hifanampiana amin’ny fampandrosoana ny ligy tsirairay. Ani­san’izany, ohatra, ny eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa,  ny fifanampiana amin’ny fifampiresahana amin’ny manampahefana sy ny federasionina,  araka ny nambaran’ny filohan’ny Alsa,  Ratovojanahary Haingo Mampionona,  filo­han’­ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Mi­sokatra amin’ny rehetra ny fikambanana ary efa mpikambana avy hatrany anatin’ny Alsa, ireo ligy rehetra misy eto Analamanga. Ny iarahan’ny ligy rehetra mivoatra sy mandroso no tena hilofosana ary tarigetra ny hifampisintona miakatra.  Tsiahivina,  efa vita ny fifidianana izay hitantana ny fikambanana,  ka lany tamin’izany  Ratovojanahary Haingo Mampionona (Filohan’ny ligin’ny basikety),  filoha lefitra voalohany,  Raharimanana Faratiana (filohan’ny ligin’ny lalao échecs) ary filoha lefitra faharoa,  Andriamam­pandry Zo (filohan’ny ligin’ny volley-ball). Hisy ny hetsika lehibe hokarakarain’izy ireo, ho ampahafantarina miandalana eto ihany.

Mi.Raz

Partager sur: