Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Raha ho an’ny asabotsy teo, nahazo fandresena 1 no ho 0, teo anatrehan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ny Ajesaia Bongolava. Baolina tokana tafiditr’i Nasa, irakiraka Ajesaia. Manana tombony amin’ny isa iray izany aloha ny zandrikelin’ny taninkatsaka, raha toa ka tsy maintsy hanala vela any Antsirabe amin’ny alahady ho avy izao, ny Disciples FC. Mitarika amin’ny isa 2 no ho 1, mialoha ny fihaonana miverina ihany koa, ny CFFA. Lavon’izy ireo tamin’io isa io ny Elgeco Plus, omaly, teny an-toerana ihany. Baolina nampidirin’i Gregas, ny faha-23 min sy i Bonard 52 min. I Fitahiana no nampihena ny elanelan’isa, teo amin’ny faha-76 minitra nilalaovana.
Savorovoro …
Marihina fa somary nisy savorovorokely teo amin’ny fihaonan’ny Disciples FC sy ny Ajesaia. Ny minitra faha-66, nahazo “penalty” ny Disciples FC, saingy tsy neken’ny mpiandry tsatoby an’i Ajesaia izany, ka saika tsy hanohy ny lalao ry zareo. Nisy moa ny fampitandremana nataon’ny tomponandraikitra ka nitohy ihany ny lalao, ary nosoloina ilay mpiandry tsatoby an’ny Ajesaia. Tsy tafiditr’i Baina, mpilalaon’i Vakinankaratra, moa ilay izy fa nalain’i Berny. Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ity fihaonana ity i Berny, Ajesaia.
Fitia Randria




