Sokajy «C» : Nohozongozonin’i Maroc i Brésil

Nivarahontsana izao tontolo izao nahita ny lalaon’ny Lion de l’Atlas, Maroc sy ny Seleçao, Bresil, ho an’ny vondrona «C». Efa saika difotra tany amin’ny faharesena ry zareo brezilianina. Nisaraka ady sahala ny roa tonta.

Anisan’ny lalao be mpanaraka indrindra ho an’ity “Mondial 2026” ity ny fihaonana teo amin’ny Lion de l’Atlas, Maroc sy ny Seleçao, Brésil. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Kianja New-Jersey, East Rutherford, omaly alahady. Tsy araka ny nieritreretana azy fa tena nohozongozonin’i Maroc tanteraka ry zareo brezilianina. Ry zareo maraokanina no nifehy ny lalao hatramin’ny farany. Sahirana ny mavo lamba tamin’ny famezivezem-baolina nataon-dry Diaz sy ry Ounahi. Namono ny baolina voalohany rahateo ry zareo, tamin’ny alalan’i Saibari, teo amin’ny minitra faha-21. Efa tany amin’ny minitra faha-32 vao nahasahala ny isa i Vini Jr.
Fidirana faharoa, samy niezaka nanafika ny roa tonta saingy samy nahay nanavotra ny baolina tsy ho tafiditra ny mpiandry tsatoby roa tonta dia i Bounou, ho an’i Maroc ary i Alisson, ny an’i Brésil. Teo amin’ny lalao ilany, ho an’ity sokajy ity ihany, resin’i Ecosse tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, i Haiti.
Hitohy anio ny fifanintsanana ka ekipa afrikanina efatra no indray hiditra an-tsehatra. Anisan’izany ny fihaonan’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy i Equateur ho an’ny vondrona “E” ary i Tunisie hifandona amin’i Suède, eo amin’ny sokajy “F”. Cap-Vert hifanandrina amin’i Espagne, ao amin’­ny sokajy “H” ary ny Farao­nan’i Egypte hifampitana amin’i Bélgique.
Hatreto, mitarika amin’ny famonoam-baolina ilay amerikanina, Folarin Balogun, na­ha­tafiditra roa.
Marihina fa efa samy nahavita ny lalaony daholo ireo firenena mpampiantrano, ka samy nivoaka ho mpandresy i Etats-Unis sy i Mexique raha nanao ady sahala kosa i Canada.

Tompondaka

Partager sur: