Ho fitsinjovana ireo zanaka hiatrika ny fanadinana ara-panjakana CEPE, BEPC ary bakalorea ao amin’ny boriborintany fahatelo, nandray fanapahan-kevitra ny tomponandraikitra fa voarara ny fanaovana alim-pandihizana amin’ny alina na fety aman-danonana manakotaba ny fiarahamonina.
Tsy misy fahazoan-dalana mivoaka mihitsy momba izany korana amin’ny andro alina izany ao amin’ity boriborintany ity, ato anatin’ny fotoana fanomanana ny fanadinana.
Na ireo manatanteraka didim-poitra sy manao famadihana aza, tsy hahazo izany mihitsy aloha, raha ny fanazavana.
Tanjona ny hanamafisana ny fitandroana ny filaminam-bahoaka, indrindra amin’ny lafiny ara-tsaina sy ny fiarovana ny zanaka, mpianatra miatrika fanadinana. Nihaona ny delegen’ny Tanà III sy ny lehiben’ny distrika ao an-toerana nandray izany fanapahan-kevitra izany.
Hamafisina ny fepetra mandritra ny fanadinana BEPC sy BACC mba hiantohana ny fahatoniana sy ny fahombiazan’ny mpianatra.
Nihaona tamin’ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny mpitandro filaminana ao amin’ny boriborintany fahatelo ihany koa ny delege mba hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny filaminana.
Tsara alain-tahaka ho an’ ny boriborintany hafa sy ny kaominina manodidina ny fahasahiana manapa-kevitran toy izao ho tombontsoan’ny mpianatra sy ho fandriampahaleman’ny tanàna mihitsy.
Tatiana A




