DTS-HJRA : Tsy andoavam-bola ny fakana ra fa manolo izay nampiasa ny tahiry

Tokony ho sahy hanome ra daholo rehefa olona salama tsara sy matanjaka ary tafiditra anaty fepetra mba hamatsiana ny toerana famindrana ra etsy amin’ny HJRA. Tena mamonjy aina ny fanomezana ra. Maimaimpoana ny fakana ra ao amin’ny DTS saingy tsy maintsy soloina izany.

“Singa avy aminao, vonjy aina ho an’ny hafa, andao hanome ra”. Io no teny filamatra amin’ity taona ity mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fanomezan-dra, izay nomarihina teny amin’ny HJRA, ho antsika eto Mada­ga­sikara.
Nanome baiko ny tale jeneralin’ny tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Mponina, Dr Tombo­feno Jorondraza Jean Marc, ary miantso ireo tomponandraikitra hampiasa ny «ambulance» any amin’ny tobim-pahasalamana hanaterana ny ra raha sendra misy mila ra maika amin’ny alina. Lavitry ny tobim-pahasalamana ireny marary ireny ary mijaly ny vahoaka tsy mba manana fitanterana. Vonjy aina no atao ka atao am-pitiavana sy maimaimpoana izany.
Ao amin’ny CHU JR Ampe­filoha no misy ny foibe misahana ny famindrana ra (DTS). Maherin’ny 90 ny isan’izany manerana ny Nosy. Eny anivon’ny hopitalim-panjakana sy toeram-pandidiana no ahitana azy.
Olona feno 18 taona ary tsy mihoatra ny 70 taona no afaka manome ra, raha sambany vao hanome ra. Milanja 50 kg fara fahakeliny, tomady sy salama tsara ary tsy manana aretina mitaiza na koa mihinam-panafody. Tsy niari-tory, nisakafo sy nisotro rano 500ml fara fahakeliny. Tsy mahatsiaro reraka ary tsy vao avy nandeha lavitra. Vehivavy tsy tonga fadim-bolana, tsy bevohoka na mampinono, tsy manao fanabeazana aizana (tsindrona). Ireo ny fepetra arahina
Anisan’ny mampitaraina ny maro ny fivezivezena sy fitadiana olona hanolo ra na ny bizina ambadika rehefa mila vonjy aina tsy maintsy mila ra ny marary. Raha ny fanazavan’ny ao amin’ny sampana misahana ny fakana ra dia maimaimpoana ny fakana ra ho an’ny marary eny amin’ny hopitalim-panjakana. Tsy maintsy mitondra olona manolo izany anefa mba hampisy ny tahirin-dra hatrany.

Tatiana A

Partager sur: