Ny taranja kajy no hisantarana ny fanadinana CEPE, anio maraina, amin’ny 7 ora sy sasany. Aorian’izany ny asa fampiharana laza olana, fahalalana ankapobeny, tantara ary fanabeazana ho olom-pirenena. Hotohizana amin’ny taranja malagasy, frantsay ary jeografia kosa izany ny tapakandro hariva.
Miisa 583 463 ireo mpiadina manerana ny Nosy hiatrika izany fanadinana ara-panjakana izany. Hentitra ny fanaraha-maso, araka ny efa noantitranterin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Tokony ho fantatry ny ankizy fa tsy azo atao ny mifampiresaka amin’ny samy mpianatra mpiadina. Voarara ihany koa ny mandika na mitsikilo ny taratasim-panadinan’ny ankizy eo akaiky ary tena mahavoasazy.
Efa maro ny toromarika nomen’ny mpampianatra nandritra ny taom-pianarana. Toraka izany ny anatra nomen’ny ray aman-dreny tamin’ny famerenan-desona sy ny fifantohana. Fitoniana sy tohana no tena ilain’ny mpianatra ao anatin’izao fiatrehana ny fanadinana izao.
Tatiana A




