Mandalo zava-tsarotra ny Les Aigles du Carthage, Tunisie, amin’izao fotoana. Faharesena mihoa-pampana ny andro voalohany niatrehany ny «Mondial 2026». Vokany, noroahina tsy hanohy intsony ny fifaninanana i Sabri Lamouchi, mpanazatra.
Vara-datsaka ny azo ilazana ny eo anivon’ny Les Aigles du Carthage, Tunisie. Ratsy fanombohana izy ireo eo amin’ity «Mondial 2026», ity. Tataka be ny isa nandresen’i Suède azy ireo, omaly, ho an’ny sokajy “F”. Niondrika tamin’ny isa mavesatra, 5 no ho 1, tao amin’ny Kianja Monterrey, Guadelupe izy ireo. Tsy levon’ny vavonin’ireo tonizianina io faharesena mihoa-pampana io ary niteraka resa-be tamin’ny gazety sy ny onjampeo tany an-toerana sy tamin’ireo tambanjotran-tserasera. Tsy niandry ela, araka izany, ny federasionina tonizianina fa avy hatrany dia nivory taorian’ny lalao ka nandray fanapahan-kevitra hentitra sy fampiharana tsy misy hatak’andro. Natsahatra tsy hitondra ny Les Aigles du Carthage intsony i Sabri Lamouchi. Notapahina ihany koa ny fifanarahana teo aminy sy ny federasionina tonizianina, izay tokony ho tapitra ny 31 jolay 2028. Tsiahivina fa vao tamin’ny volana janoary no nandray ny Les Aigles du Carthage, i Lamouchi.
Anarana roa ankehitriny no voatonona handimby azy ary hanohy ny «Mondial». Anisan’ ireny i Wahbi Khazri izay tao anaty ekipa teknikan’i Lamouchi ihany. Voatonona ihany koa anefa ny tale teknika nasionaly, i Mondher Kebaier.
Fihaonana manaraka ho an’ny Les Aigles du Carthage ny fifandonana amin’i Japon, ny alahady 21 jona ho avy izao ary ny lalao farany dia ny zoma 26 jona hifanandrinany amin’i Pays-Bas.
Mitarika ho an’ity sokajy “F” ity i Suède, manana isa 3 ary faharoa mitovy i Japon sy i Pays-Bas, isa 1 avy ary farany i Tunisie, tsy mbola nitoko.
Tompondaka




