Nisitraka fitaovana fiarovana mandritra ny fanatanterahana ny asa (Epi) ireo mpamonjy voina miisa 362. Hanampy azy ireo hanatanteraka ny asany amim-pahombiazana sy amim-pilaminana kokoa ny fampiasana ireo fanomezana ireo.
Anisan’izany ny fanomezana avy amin’ny vondrona mpamonjy voina kanadianina. Teo ihany koa ny orinasa Vitafoam izay nanolotra kidoro miisa 70 ho fankasitrahana sy fanohanana ny asan’ireo mpamonjy voina.
Hisy fiantraikany mivantana amin’ny kalitaon’ny asa vonjy voina sy ny fiarovana ny mponin’Antananarivo ny fisitrahana izao fampitaovana izao, ahafahana mamaly haingana sy mahomby kokoa ireo tranga vonjy taitra.
Saro-pady ny asan’ny mpamonjy voina ary mihatra aman’aina mihitsy mandritra ny asa famonjena ataony, na anaty rano na anaty afo na amin’ireny trano mirodana ireny. Tsy maintsy anaovana ireny fitaovam-piarovana ireny hahafahana manatanteraka milamina ny asa. Fitaovana mifanaraka amin’ny sehatra iasana ihany koa no anaovana ary manaraka ny fenitra mba tsy hitera-doza ho azy ireo indray.
Tatiana A




