Anisan’ireo taranja mijoro ara-dalàna ary manana rafitra federaly eto Madagasikara ny Pentathlon moderne malagasy (FMPM). Nahatsangana ligy vaovao ny faritr’Alaotra Mangoro, ny alahady lasa teo. Voafidy ho filoha hitantana izany, mandritra ny efa-taona, Razafimandimby Eugène Brechard.
Nambarany fa vonona ny tenany hitondra avo ity taranja vaovao ity ao amin’ny faritra iandraiketany. Efa manana atleta 30 isa eo izy ireo. Miisa efatra izany izao ny ligy mandrafitra ny Federasionina FMPM, tarihin’ny filoha, Randriamalala Nathalie. Ankoatra an’Alaotra Mangoro, eo koa ny ligin’Analamanga, Itasy, ary Vakinankaratra.
Tsiahivina fa miandry ny atleta malagasy amin’ity taona ity, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao atsy Afrika Atsimo, ny volana septambra ho avy izao.
Marihina fa ny Pentathlon moderne dia taranja olympika, itambaran’ny lomano, ny «escrime», ny tifitra amin’ ny basy «laser», ny «parkour d’obstacles» ary ny hazakazaka an-tongotra.
Tompondaka




