Nanao fanambarana, omaly, ireo mpiasa mivondrona anaty sendika ao amin’ny Cnaps mahakasika ny fitakiana marolafy. Nilaza miharihary ireo mampandringa ny fandehan’ny asa ao an-toerana izy ireo.
Misy amin’ireo mpiasa efa nodimandry kanefa tsy mba nahazo izay anjara vola fisotroan-dronono akory efa ho roa taona izao ao amin’ny Cnaps. Ny sasany miatrika fitsaboana satria taizan’aretina, ny hafa tena miatrika fahasahiranana lalina ary tsy mba mahazo izany vola fisotroan-dronono izany na dia nahafeno ny fepetra rehetra aza, raha ny fanambaran’izy ireo.
Tandindomin’izany tsy fahafahana misitraka fisotroan-dronono izany ireo mpiasan’ny Cnaps amin’izao fotoana, izay efa manakaiky ny fe-potoana hataperan’ny asany.
Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra mahefa ireto mpiasan’ny Cnaps anaty sendika ireto mba hijery hoe aiza ho aiza ny mahakasika ny latsakemboka CRCM izay narotsaka ka tokony hositrahina amin’izao fahalehibeazana izao. Mitarazoka ny famahana ny olana taorian’ny dingana efa natao.
Nanaovan’ny sendika resaka ihany koa ny sata mifehy ny mpiasan’ny Cnaps izay manahirana satria raha ny voafaritry ny didim-panjakana faha-62-068, dia ny RGP (Régime général de la police/Fonction publique) no tokony hifehy ny mpiasan’ny Cnaps.
Lasa nisy sata vaovao indray nanomboka tamin’ny taona 2021, izay tena mampizarazara ny mpiasa eo anivon’ny Cnaps.
Tokony haverina ny sata taloha satria tsy mbola nisy fanafoanana io didim-panjakana io.
Manahy ny amin’ny fametrahana vola (placement) izay tsy fantatra hoe iza no tomponandraikitra nanao izany ihany koa ny mpiasa.
Tsy tokony hanana fahafahana manao petra-bola goavana any amin’ny banky ny tale jeneraly mpisolo toerana.
Ankoatra ireo ny fangatahana mahakasika ny fanendrena tele jeneraly raikitra. Tao anatin’ny enim-bolana dia nahatsapa ireo sendika fa sahirana eo am-panatanterahana ny asa.
Tatiana A




