Hotanterahina eny amin’ny ranomasina Ramena, Diego Suarez, ny lalao fifanintsanana hazakazaka ho an’ireo sambo “boutres, Sookany Trophy”, andiany voalohany. Raha ny filazan’ny tomponandraikitra, omaly, tetsy Antaninarenina, hahazo lelavola 10 tapitrisa Ariary izay sambo mahazo ny laharana voalohany amin’ity fifaninanana ity.
Miisa 38 eo ireo sambo hifaninana, ahitana tantsambo miisa efatra avy, izany hoe, mitotaly 152 ny mpilalao.
Ireo mpanjono sy mpisehatra amin’ny resaka haza an-dranomasina any amin’ity faritra ity no hifanintsana any an-toerana, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Hizara telo ny dingana hatrehina. Andro voalohany sy faharoa, hisy ny fihodinana intelo mandroso sy miverina, ka izay tsara laharana mandritra izany no miatrika ny famaranana. Ity farany izay ahitana fihodinana indroa ihany.
Ho fiarovana ny mpandray anjara, hizarana akanjo vonjy aina « gilet de sauvetage » 152 isa ireo mpilalao rehetra. Marihina fa hotolorana lelavola 5 tapitrisa Ariary izay mahazo ny faharoa. 2,5 tapitrisa Ariary kosa ny an’ny fahatelo. Anisan’ireo mpanohana ity hetsika hazakazaka ho an’ny sambo « boutres » ity ny orinasa Yas Madagascar.
Fitia Randria




