Mahatratra 12 400 ny isan’ny mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana CEPE ny talata lasa teo, manerana ny Nosy. Latsaka kokoa raha oharina ny tamin’ny taona 2025 izay nihoatra ny 14 000, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Manomboka anio ny fitsarana ny taratasim-panadinana rehetra taorian’ny fivoriana hitondrana ny asa sy ny lamina. Nilaza ny mpampianatra mpitsara sasany fa nihena ny isan’ny olona manatanteraka ny asa ka nitombo hatramin’ny 300 ny taratasim-panadinana tsarain’ny tsirairay. Roa andro ny faharetan’ny asa fitsarana ary mety misahana taranja maro ny mpampianatra mpitsara iray. Ireo mpampianatra amin’ny kilasy 7ème no nantsoina hitsara ny taratasim-panadinana raha nisahana ny fanaraha-maso kosa ny mpampianatra hafa.
Nanambara koa ireo olona nanatanteraka ny fanaraha-maso sy ny fitsarana ny CEPE 2025 fa tsy mbola azo ny tambin-karama raha efa nilaza ny fitondrana fa hafainganina ny fandoavana ny trosa rehetra momba ny vacation ho an’ny fanadinana.
Vonjy




