Rohy mampifandray ny fifanakalozana amina firenena maro ny fahaizana teny anglisy. Manokatra varavarana amin’ny sehatry ny asa koa ny fifehezana izany teny izany.
Notanterahina teny amin’ ny ENS Ampefiloha ny fihaonambe momba ny fampianarana teny anglisy, omaly. Nahitana mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo sy mpampianatra teny anglisy eny amin’ny lycée avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara ary mpampiofana avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo mpandray anjara.
Nisy ny dinika ifanakalozan-kevitra sy atrikasa fampiofanana azo hampiharina ho an’ny mpampianatra. Ny fampianarana teny anglisy amin’ny fomba mahomby kokoa dia mitondra tombony ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary i Madagasikara iray manontolo.
«Tsy fitsipi-pitenenana sy voambolana fotsiny ny teny anglisy. Manokatra lalana izy. Fanararaotra izany. Rohy mampifandray ny fifanakalozana ara-panabeazana, ny fivelarana amin’ny sehatry ny asa ary ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Ary ianareo no manorina izany tetezana izany isaky ny lesona ampitainareo», hoy ny mpanolotsaina momba ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho amerikanina, i Craig Ferguson, tamin’ireo mpandray anjara.
Midika izany fa hisy feo malagasy bebe kokoa ho re any amin’ireo efitrano fianarana iraisam-pirenena. Ho mpanabe maro no ho voaofana hanomana ny taranaka ary fototra mafy kokoa ho an’ireo fiaraha-miasa mampifandray an’i Madagasikara amin’izao tontolo izao izany.
Manamafy ny fahavononany hiara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Anisan’izany ny masoivoho amerikanina sy ny Elta Madagascar.
Nambaran’ny minisitra fa anatin’ny fanavaozana lehibe ny rafi-panabeazana ny minisitera, ankehitriny. Tanjona amin’izany ny hanomezana fanabeazana manaraka ny filan’ny vanin-potoana sy mamaly ny filan’ny fampandrosoana ny firenena.
Tatiana A




