Fetim-pirenena  : Sehatra ho an’ny kanto marolafy ny etsy Mahamasina

« Podium », sehatra ho an’ny mozika no nahafantarana ny etsy amin’ny Kianja Mahamasina hatrizay, Niova kely kosa ny amin’ity. Natao ho sehatra ho an’ny kolontsaina marolafy, izay noraisin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac) an-tanana. « Novela­rina mba homen-danja avokoa ny seha-kanto izay azo hasongadina: teatira, poezia, sokitra, hosodoko, saripika, graphic design, sns. Eo koa ireo kilalao malagasy izay ampiainana ny ankizy ankehitriny, izay misy eo Maha­masina ary hotohizana eo amin’ny Havoria Anosy, ny 24 sy 25 jona. Andraikitry ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny mampiakatra ambony ny kolontsaina malagasy amin’ny endriny rehetra, indrindra amin’ny fotoana toy izao », hoy ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Ofnac, Rabekoto Christian.
Na izany aza, mijanona ho seha-kanto be mpankafy ny mozika, ka mpanakanto maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no hanafana ny « podium » rehetra. Tamin’ny herinandro, efa niaka-tsehatra tao Maha­masina ry Mage 4. Hitohy anio izany, ka ny vovonan’ireo mpanao vakisaova eto Anta­nanarivo no hifarimbona, arahin’ny tarika Lija. Rahampitso kosa ny tarika Magneva sy ny tarika Lego.
Ankoatra ny kerimesin’ny miaramila, hisy ny « podium » lehibe iray hafa eny Anosy, ny 25 jona. Hifandimby eo ry Ndondolah, Mijah, Njakatiana, Samoëla, sns, mialoha ny hipoahan’ny afomanga mahazatra. Ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina kosa ny goavana indrindra, ny harivan’ny 26 jona, aorian’ny matso lehibe fanaon’ny Tafika, ny maraina.

Zo ny Aina

Partager sur: