“…Tsy sitrahana avy amin’ny asa ny fitovian-jo, ary tsy atolotra ny zo. Efa sitrahin’ny olona tsirairay amin’ny maha olombelona fotsiny izany”. 250 taona ny fahaleovantenan’i Etazonia.
Nankalaza ny faha-250 taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia “Freedom 250”, sy ny faha-160 taonan’ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’i Madagasikara ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara, omaly, tetsy Ankorondrano.
Nitarika izany ny mpiandraiki-draharahan’ny masoivoho amerikanina, i Stephanie Arnold, niaraka tamin’ny Praiminisitra, Mamitiana Rajaonarison.
Nisongadina ny fanomezan-danja ny fitovian-jo, ny fahafahana ary ny zo maha olona. Ireo no fototra nanorenana an’i Etazonia ary mbola mitarika ny demokrasia amerikanina hatramin’izao.
Natao hanamafisana ny zon’ny olom-pirenena sy hampitombo ny tamberin’andraikitra amin’ny mpitondra ny fanitsiana natao tamin’ny lalàmpanorenana amerikanina.
“Voavaha amin’ny fomba milamina, amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy ara-drariny, ny tsy fitovian-kevitra ao amin’ny firenena. Nanehoana ny fitokiana fa tsy mpanompo ny mpitondra ny vahoaka, fa ny mpitondra no mpanompon’ny vahoaka. Ampiharina sy iainana maneran-tany ireo soatoavina ireo”, hoy i Stephanie Arnold.
Nampitahainy amin’ny tantaran’i Madagasikara izany, satria niorina tamin’ny foto-kevitry ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena ihany koa ny fahaleovantenan’i Madagasikara tamin’ny 1960.
Efa maherin’ny 160 taona ny fifandraisana ofisialy teo amin’ny firenena roa tonta. Nanomboka tamin’ny taona 1866 izany rehefa nanendry solontena ara-barotra tao Toamasina i Etazonia.
Notsiahivina manokana ny anjara birikin’i John Lewis Waller, kaonsily amerikanina taloha, izay nanohana ny fanirian’ny Malagasy hitantana ny fireneny. Voaresaka i Andy Razaf, taranak’i Waller, izay lasa olo-malaza teo amin’ny tontolon’ny jazz amerikanina.
Manamafy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro i Etazonia sy Madagasikara.
Tatiana A




