Hifarana anio ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra nentin’ireo mpiasan’ny fahasalamana nankalazana ny faha-13 taonan’ny hôpitaly CHU Mitsinjo Betanimena, Toliara. Hetsika nahitana ireo tolotra ara-pahasalamana maro sy maimaimpoana toy ny fizaham-pahasalama amin’ny ankapobeny sy fanomezana fanafody, fitiliana VIH sy diabeta, fizahana tosidra avo, fanentanana amin’ny fisorohana ny aretina MPox sy fanaovana vaksiny ho fiarovana amin’izany ary ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Misitraka izany avokoa ireo rehetra tonga ao amin’ny tobim-pahasalamana.
Nahazo fanampiana mitentina 8 000 000 Ar avy amin’ny Lions Club International sy ny fikambanana Leo Club International, taorian’ny hetsika « Roses et Fleurs Jaunes », notontosaina ny volana marsa lasa teo, ny fikambanana Madagascar Alzheimer. Natolotra ny mpitantana ny fikambanana sy ireo marary mpisitraka sy ny fianakaviany ny taratasim-bola. « Midika zavatra betsaka ny tohana azo ankoatra ny maha fanampiana ara-bola azy », hoy ny mpitantana ny fikambanana. Miendrika fanantenana, mitondra fankaherezana, indrindra ho an’ny fikambanana sy ny fianakaviana manana olona tratran’ny aretina Alzheimer izany.




