Nofitahin’ny rain-janany: Maty nokendain-dreniny ilay zaza roa volana

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny tovovavy iray 17 taona, namono nahafaty ny zanany vao 2 volana monja, teny amin’ny kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly. Notsindrominy tamin’ny hazo saingy tsy tapitr’aina, nokendainy sady nalentiny tao anaty rano io zaza io avy eo, araka ny fitantarany tamin’ireo olona nisambotra azy. Diso fanantenana tamin’ny rain’ilay rain-janany ravehivavy, antony namonoany ilay menaky ny ainy, raha ny angom-baovao eo anivon’ny zandary. Nofita­hin’ilay rain-janany sady naolana izy kanefa mbola te-hanohy fianarana. Tsy hita intsony sady tsy nanampy azy anefa ilay voalaza ho rain’ny zaza. Naharay loharanom-baovao momba ny tranga tao amin’ny fokontany Atamboho, fokontany Imerintsiafindra, kaominina Ambatomira­hava­vy, ny zandarimaria, ny 17 jona teo, tokony ho tamin’ny 5 ora. Efa nentin’ny fianakaviany namonjy ny CSBII anefa io zaza voalaza hita faty io rehefa tonga tao amin’ny tanàna voatondro ny mpitandro filaminana. Hitan’ny renibeny nitsirara sady efa tsy nisy aina intsony teo ambony fandriana io zaza io, araka ny fanazavan’ny zandary. Tsy hita anefa ny renin’ilay zaza tamin’io fotoana nahitana an-janany maty io. Nikaroka avy hatrany ny renin’ny zaza ny fokonolona ka notanan’ny andrimasom-pokonolona io tovovavy vao 17 taona io, taorian’ny nahasamborana azy. Natolotra ny fianakaviany ny nofo mangatsiakan’ilay zaza, raha toa ka notazomina atao famotorana ilay vehivavy.

Tsiferana R.

Partager sur: