Portugal sy RD Congo : In-25 nikitika baolina i Cristiano Ronaldo

Lasibatry ny fanakianana i Cristiano Ronaldo (CR7), taorian’ny lalao nikatrohan’i Portugal sy ny RD Congo, ny alarobia lasa teo. Vokatra nandiso fanantenana ny rehetra satria voatazona sahala ny Seleçao Portuga

Tsy ilay ady sahala, 1 sy 1, teo amin’i Portugal sy ny RD Congo no nahatezitra ny olona fa ny endri-dalaon’i Cristiano Ronaldo (CR7). Tsy tazana mihitsy mantsy izy teny ambony kianja nandritra ny 90 mn nilalaovana. Raha ny antontanisa, in-25 ny tenany no nikitika baolina. Indroa nandaka saingy tsy nisy nahitsy tao amin’ny tsatoby avokoa izany. Tsy nahavita namitaka vodilaharana toy ny fanaon’ireny lohalaharana kalaza ireny i Ronaldo. Zara fa heno ny anarany nandritra ny fitantarana nataon’ireo mpanao gazety. Tsy nampitaintaina ny mpijery mihitsy ny lalao nataony. Ny baolina voalohany nokitihiny ihany taorian’ny “coup d’envoi” no hany nampihoraka ireo mpanohana marobe dia izay ihany.
Diso fanantenana tamin’i Cristiano Ronaldo avokoa ireo mpanohana portiogey. Lasi­batra tamin’ny fanakianana isan-karazany ny tenany. Tao ny naneso azy noho ny taonany izay efa mananika ny faha-41. Anisan’ireny, i Thierry Henry, frantsay mpilalao fahiny sady mpamakafaka. Nisy kosa anefa ireo niaro azy fa noho ny tsy fahazoany tolotra avy amin’ireo namany no tsy nahafahany nihetsika firy. Nanoloana izany rehetra izany, nanambara i Roberto Martinez, mpanazatra ny Seleçao fa afapo tamin’ny endri-dalao nasehon’ireo mpilalaony ny tenany. “Fomban-javatra ny toy ireny, tsy mbola mihintsana akory izahay. Hiezaka handresy amin’ny lalao manaraka”, hoy izy. Hifandona amin’i Ouzbekistan i Portugal, ny talata 23 jona izao.

Tompondakal.

Fandaharan-dalao anio
Sokajy “B” – (1ora maraina) – Canada vs Quatar
Sokajy “A” – (4ora maraina) – Mexique vs Corée Atsimo
Sokajy «D» – (10 ora alina) – Etats-Unis vs Australie

Partager sur: