Nanomboka omaly ary haharitra hateloana ny adihevitra eo amin’ireo mpisehatra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza mahakasika ny tetikasa « Indice de vulnérabilité logistique (IVL) ». Ny Humanité Inclusion no nandroso azy io, manoloana ny olan’ny fahafahana mamaly haingana ny filana anatin’ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza ary ny fiomanana mialoha izany. Tanjon’ny atrikasa ny hanangana sehatra ho an’ny fifanakalozana sy ny angom-baovao eo amin’ireo mpisehatra ara-teknika sy ara-panjakana. Vinan’ny ny tetikasa IVL ny hamantarana ny faharefoan’ny faritra iray mandritra ny loza, hametrahana ny laharam-pahamehana amin’ny famaliana ny filana anatin’ny loza sy ny tandindona ary mahakasika ny fitantanana ara-pitaovana. Novelabelarina nandritra ny fivoriana ho an’ny andro voalohany ny fomba fiasan’ny IVL amin’ny ankapobeny sy ny tombotsoa avy aminy, ny filana sy ny fomba fampiasana azy ary ny famantarana andrasan’ireo mpisehatra. Hifarana rahampitso ny famelabelarana sy ny fandinihana ny fahafahana manantanteraka ity tetikasa ity.
Ankoatra izay, nisy koa atrikasa fanaovana jery todika ny fampiharana ny asa tantsoroka na “action anticipatoire” nandritra ny taom-pahavaratra 2025-2026. Nandritra ny fifanakalozan-kevitra, nodinihina ireo zava-bita sy ny fanatsarana, ny fandrindrana, ny famatsiam-bola ary ny fanatanterahana ny hetsika eny ifotony.
Vonjy




