Efa fantatra avokoa ireo ekipa mpifanandrina mandritra ny ampahavalon-dalan’ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe », taorian’ny antsapaka nataon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao amin’ny pejiny, omaly.
Mbola hihaona indray eo amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, «Yas Coupe 2026», ny Ajesaia Bongolava sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Tsiahivina fa ireto ekipa roa ireto izay efa mifankafantatra tsara, indrindra ao amin’ny fifaninanam-pirenena PFL.
Hiady ny tapakilan’ ny famaranana, anio, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, moa ny klioba roa tonta. Mbola manala vela amin’ity fihaonana ity ny Disciples FC, resin’ny Ajesaia, 1 no ho 0, nandritra ny manasa-dalana mandroso.
Araka ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitry ny fifaninanana omaly, hatao manomboka ny 5 jolay ho avy izao ny ampahavalon-dalana ary ny Ajesaia no voatsapaka hampiantrano amin’ity fihaonana ity.
Tsy maintsy hifarana eo amin’ny ampahavalon-dalana izany ny dian’izay resy amin’ny Ajesaia sy ny Disciples FC. Ampahafantarina ihany fa ny ampahefa-dalan’ity Yas Coupe ity dia hatao ny 12 jolay ho avy izao, ary mbola hisy ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’izany. Ho enjehina mialoha ny 20 jolay kosa ny hanaovana ny manasa-dalana sy ny famaranana.
Ankoatra izay, ny ekipa avy atsy Vakinankaratra AS Valahara hifandona amin’ny klioban’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany.
Fitia Randria
Ireo mpifanandrina amin’ity Yas Coupe 2026 ity :
Cosfa vs AS PTT
FC Rouge vs Antimo Record
Uscafoot vs AFCA
Ajesaia vs Disciples FC
Babangy FC vs CFFA
Elgeco Plus vs AS Valahara
Wagner FC vs Fosa Juniors
AS Ste Anne vs Clinique Zanatany




