Notanterahina omaly, teny Anosy, ny atrikasa fampahafantarana ny vokatry ny Drafitra fototra momba ny famatsian-drano madio fisotro ho an’Antananarivo sy ireo kaominina 37 manodidina.
Tafiditra amin’ny tetikasa fanatsarana ny fahazoana rano madio fisotro (Paaep), tanterahin’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana ary tohanan’ny Banky iraisam-pirenena izy io.
Nambaran’ny ekipan’ny Jirama sy ny Paaep ny olana sedrain’izy ireo amin’ny famatsiana rano, indrindra ny olana amin’ny fotodrafitrasa (fantsona) efa antitra. Eo koa ny fanorenana tsy ara-dalàna maro. Nihamaro ny toerana avo efa nisitraka rano, toy ny eny Ambatomaro, Ambohipo, Mahazo… Vokatry ny fampiakarana rano izany satria nitombo ho 22 000 m3 isan’andro ny vokatra ary mbola hiakatra ho 42 000 m3 izany hatramin’ny faran’ny volana izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Rano, fanadiovana ary fidiovana, Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia. Hataon’ny ny tomponandraikitra sonia, ny 30 jona ho avy izao, koa ny fanoloana ny fantsona 64 km eto Antananarivo ka mbola hisy fikorontanana vokatr’izay ny famatsiana.
Ankotra ny tetikasa Paaep, mandeha koa ny asa iarahana amin’ny Jirama Water Free eny Amoronakona izay hampiakatra ny vokatra rano ho 50 000 m3 isan’andro, eto Antananarivo. Raha tombanana ho 143 000 m3 ny tsy fahampian’ny rano, ho feno izany vokatry ny asa maromaro efa mizotra ary hiakatra tsikelikely ny vokatra.
“Rehefa niakatra ho 24 000 m3 isan’andro no novokarina, nipoaka ny ankamaroan’ ny fantson-drano ka 40 isan’ andro ny fanamboarana atao vokatry ny fipoahana”, hoy ny tale jeneralin’ny Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana. 52% ny fotodrafirasa eto Antananarivo tsy nisy fanarenana na fikojana mihitsy nandritra ny 30 taona. Tsy eto Antananarivo ihany, efa vita ny fanaovan-tsonia ny asa fanatsarana ny famatsian-drano any Mahajanga ary hanomboka ny asa. Toy izany koa ny any Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza. “Nitombo ho 400 tapitrisa dolara ny vola ampiasain’ny Paaep. Hifarana ny volana marsa 2029 ny asa satria nanome tetibola fanampiny ny Banky iraisam-pirenena”, hoy ny mpandrindra nasionaly ny tetikasa, Rakotonjanahary Ranto.
Vonjy




