Miha mitombo ny fanaovana sy fivarotana horontsary mamoafady amin’ny alalan’ny internet. Namoahan’ny polisim-pirenena fikarohana mahakasika izany ny olona efa-mianaka, omaly. Nahitana mpivady sy ny zanany roa lahy. Loham-piampangana hanenjehana azy ireo ny fikambanana sy firaisana tsikombakomba amin’ny famokarana sy fivarotana horonantsary mamoafady amin’ny alalan’ny internet, izay ampiasana sy ahitana zaza tsy ampy taona, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Toy izao ny mombamboma azy ireo, Resento Galtien, raim-pianakaviana, 58 taona sy Fanjara, vadiny, 43 taona. Ireo zanany roa lahy : i Resento Bienvenue, 22 taona sy Resento Charles, 26 taona. Tany Mampanarivo, kaominina ambanivohitra Tanandava Station, distrikan’Ihorombe ny toerana nahitana azy ireo farany. Iangaviana, araka izany, izay mahafantatra na mahalala ny toerana misy azy ireo mba hanatona ny biraon’ny polisy akaiky indrindra. Na koa hiantso ny laharana: 034 05 703 76 (eo anivon’ny Cybercriminalité) na ny 034 02 330 16 / 032 02 330 16 (eo anivon’ny kaomisaria Morombe). Hijanona ho tsiambaratelo tanteraka ny mombamomba ireo olona manome vaovao mahakasika ity raharaha ity, hoy hatrany ny polisim-pirenena. Marihina fa mampigadra roa hatramin’ny dimy taona sy andoavana lamandy 2 000 000 hatramin’ny 10 000 000 Ariary ny fanaovana sy fivarotana horontsary mamoafady tahaka izao, araka ny lalàna laharana 2014- 006, tamin’ny 17 jolay 2014.
Mino




