Nahatrarana fehezan-drongony an-jatony: Notanana vonjimaika am-ponja ireo roa lahy

Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny fahatrarana rongony 147 fehezana, tao Toamasina, ny 13 jona teo. Taorian’ny asa nataon’ny polisim-pirenena hiadiana amin’ny fiparihan’ny zava-mahadomelina ao amin’ny faritra Atsina­nana, voasambotra ny lehilahy miisa roa, ny 13 jona lasa teo. Efa mpivarotra rongony ireo olona ireo ary notsinjarainy tamin’ny alalan’ny fehezana ireo entana tra-tehaka teny amin’izy ireo. « Mitetina 50 000 Ar ny handafosany ny iray fehezana raha toa ka alain’izy ireo 18 000 Ar any amin’ny mpampongady », hoy ny fanazavana voaray teo anivon’ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana, kaomisera Rakotoari­jaona Faly. Mahatratra 7 tapitrisa Ar, araka izany, ny vidin’ireo rongony sarona tamin’io fotoana io ireo. Ankoatr’io, rongony 13 fototra saron’ny polisy, ny 6 jona lasa teo. Mpiray tendro tamin’izy roa lahy voasambotra ireto ihany no nahatrarana izany. Nodorana ny harivan’ny alakamisy 19 jona teo ireo rongony rehetra raha toa ka natolotra ny fampanoavana, omaly, izy roa lahy.

Sajo

Partager sur: