Fifampikasohan’ny herinaratra: trano roa kilan’ny afo tetsy Namontana

Kila hotohoton’ny afo ny trano lehibe miisa roa teny Na­­montana sy Mandrangom­bato, ny sabotsy 20 jona lasa teo.  Niezaka nihatrana ara-potoana taorian’ny fahazoana loharanom-baovao ara-potoana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina tamin’ireo fotoana nitrangan’ny fahamaizana ireo.  Niredareda voalohany ny afo tao amin’ny to­kantrano iray tao Mandran­gom­bato II, ny harivan’ny sa­botsy lasa teo, tamin’ny 6 ora sy 50 minitra. Niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny he­rinaratra ny firehetana araka ny angom-baovao voarain’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina tonga nijery ifotony ny tranga teny an-toerana. Ta­paka nandritra ny fotoana na­haritra ny herinaratra kanjo niverina tampoka, araka ny lo­haranom-baovao voaray. Ni­te­raka firehetan’ny tariby mpitondra herinaratra anefa izany ka nitarika tamin’ny voina. Ankoatra io, kilan’ny afo koa ny trano lehibe iray tao amin’ny fokontany Na­mon­tana tsy lavitry ny CSBII, tamin’ny 10 ora alina. Naha­ray antso minitra vitsy taorian’ ny tranga ny mpamonjy voina ka nandefa solontena nifehy ny fiherehetana. Tsy nisy aina nafoy tamin’ireo haintrano mi­isa roa ireo. Tsiahivina, niteraka ny firehetana tamin’ireo to­kantrano roa samihafa ireo ny fiverenan’ny herinaratra tampoko.

Tsiferana R.

Partager sur: