Vonoan’olona: lehilahy hita faty tapa-doha

Namoy ny ainy vokatry ny sotasota natoan’ny olon-dra­tsy indray ny lehilahy iray 45 taona tamin’ny fokontany Anki­mimasy, Amba­rognabo Ampa­nihy Andrefana, ny faran’ny he­rinandro teo. Vatana mangatsiaka, novantanin’ny fianakavian’io raim-pianakaviana manana toe-tena varira io.  Tsy nisy loha intsony ilay la­sibatra nandritra ny fahitan’ny fokonolona sy ny tomponandraikitra azy, tamin’io fo­toana io. Tsy fantatra ny toerana nitondran’ireo tsy valahara ny lohan’ilay raim-pianakaviana mananika ny 45 taona sy ny antony nanapahany izany. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ireo manam-pahefana, tsy mbola fantatra mavaza ny nahavanon-doza tamin’io ra­haraha nahafaty ilay olona io. Herinandro vitsy lasa taorian’
ny nandraisan’ny fitondram-panjakana fepetra hentitra manoloana ireo olona ma­nana teo-tena varira, mbola misy ihany ireo sahy minia maka an-keriny sy manapa-doha azy ireo.
Zaza sy olon-dehibe
Tsy mahasakana ny habibiana ataon’ireo tsy mataho-tody, na dia teo aza ny fanambarana natoan’ny fitondram-panjakana », hoy ny fanambaran’ny fikambanana miaro ireo olona manana toe-tena varira, Soja Fulgence. Herinandro vitsy lasa taorian’ny namoahan’ny fitsarana didy momba ny fanagadrana ireo olona am-polony naka an-keriny sy nanao sorona olona manana io toe-tena io, mandry an-driran’antsy sahady ireo olona manana toe-tena varira, taorian’ny nisehoan’ity tranga tao Ampanihy ity. Tsy mionona amin’ireo zaza, fa lasibatra hatramin’ny olon-dehibe ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana hijery ifotony ny tranga izy ireo. Man­ga­taka ny hanetsehina ireo hery vonjy taitra rehetra hitadiavana ilay zaza vao 9 volana monja izay heverin’izy ireo mbola velona ny fikambanana.

Tsiferana R.

Partager sur: