Misaona ny fianakaviana iray ao Andranovorivato. Niara-maty ny zaza mianadahy nihinana kabarin-dolo. Manoloana ny voina, nidina tany an-toerana, omaly, ny tomponandraikitra nanentana ny olona tsy hihinankinam-poana.
Nihinana karazana kabaro, ahina ho misy poizina, ankizy mianadahy namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Andranovorivato, distrikan’i Vohibato, ny alahady tolakandro teo. Nahandro io karazan-javamaniry izay tsy lavitry ny tranon’izy ireo io, ireo zaza mianadahy. Tsy tao an-trano ny ray aman-dreny fa mbola nanao zavatra hafa. Nandoatra sakafo izy mianadahy ka nihinana an’io karazana kabaro io. Poa toy izay, namoy ny ainy vantany avy nihinana ny anjara variny ny iray tamin’izy mianadahy. Tetsy ankilany, narary mafy ny iray ka nentin’ny fianakaviany nihazo ny hopitaly. Tsy tana ny ain’io faharoa io vokatry ny fihinana ilay sakafo misy poizina. Nahare ny zava-nisy, nidina ifotony nanamarina ny tranga sy nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nojeren’izy ireo ny toerana manodidina ny trano. Voalaza fa nitarika ny fahafatesan’izy mianadahy ireo ny fihinanana ilay karazana kabaro ataon’olona ao an-toerana hoe kabaron-dolo.
Manoloana ity tranga ity, nidina tany an-toerana nitrangan’ny loza ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, taorian’ny tranga. Nampitandrina sy nanao fanentanana ny mponina ao Andranivorivato izy ireo tsy hisy hihinana io karazana kabaro io intsony. Efa nakana singa ilay kabaron-dolo nahafaty olona mba hanaovana fanadihadiana sy fitiliana, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny ekipan’ny CSB II Andranovorivato, izay nanao ny fizahana ny razana. Misokatra ny fanadihadiana iandraketan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andranovorivato. Marihina fa maniry manakaiky ny trano fonenan’ireto fianakaviana niharam-boina ity zava-maniry ity.
Olona 67 hafa niara-narary
Ankoatra izay, olona 67 narary tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo faobe, teny Andranoro, kaominina Antehiroka, ny faran’ny herinandro teo. Nahitana vehivavy bevohoka ny roa tamin’ireo. Nihinana « composé » tamin’ny mpivarotra iray teny an-toerana izy ireo. Anisan’ny narary ihany koa ny tompon’ilay tsena sy ny zanany. Nanomboka narary kibo, nivalana, narary an-doha, avokoa izy rehetra ireo. Nentina sy tsy maintsy naiditra hopitaly teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha sy teny amin’ny hopitaly Anosiala avokoa izy rehetra. Raha ny fantatra, ny menaka nampiasaina no antony nahatonga ny fahapoizinana. Efa nakana singa ihany koa izany, mba hanaovana fitiliana any amin’ny laboratoara. Manentana ny rehetra hatrany ny tomponandraikitra ara-pahasalamana mba hitandrina amin’ny fikarakarana sakafo mba tsy hahatonga tranga tahaka izao.
Tsiferana R.




