Namoy ny aina natelin’ny rano ny tovolahy iray, teny akaikin’ny tetezana, kaominina Ambohimanambola, omaly maraina. Nanenjika akoho somary nanamorona ny renirano izy, raha ny voalaza, kanjo nisolifatra tampoka tany anaty rano. “Efa somary mamomamo izy raha ny angom-baovao”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria miasa ao Ambohimanambola. “Lalina ny rano ka nilentika tao izy, tamin’ny 9 ora sy fahefany”, araka ny loharanom-baovao. Niezaka nikaroka sy nanavotra ilay olona natelin’ny rano ny sampana mpamonjy voina saingy nananosarotra ny famonjena. Tafakatra tao anatin’ny rano ity farany tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Sempotra tao ka tsy tana intsony ny ainy. Heverin’ny tomponandraikitra nanao fitiliana ny vatana mangatsiakany fa nahatelina rano be loatra izy ka nitarika tamin’ny famoizany aina. Mpiasa amina hotely mpivarotra sakafo masaka izy io. “Tsy manam-bady aman-janaka izy fa ny rahalahiny no mponina tsy lavitra ety”, hoy ny zandary. Tonga nijery ny zava-nisy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany sy ny mpitandro filaminana ary ny fianakavian’ny namoy ny ainy. Natolotra ireto farany ny nofo mangatsiaka avy eo.
Tsiferana R.




