Hapetraky ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (Spat) ao Tsarakofafa ny “Plateforme multimodale logistique et portuaire” (PMLP). Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fananganana ny “Port Sec III” izany.
Hapetraka any amin’ny 8 km miala ny seranan-tsambon’i Toamasina ny tetikasa. Toerana hametrahana vonjimaika ireo kaontenera alohan’ny handefasana azy any amin’ireo seranan-tsambo madinika, manodidina ny faritra. Voafidy manokana i Tsarakofafa noho izy akaiky ny lalam-pirenena faharoa (RN2) sy ny lalamby, ary eny amin’ny tany efa nohajarian’ny Spat hatramin’ny taona 1997. “Mahafeno ny fepetra takina i Tsarakofafa hananganana ny tetikasa izay hahafahana manafaingana sy manamora ny fifanakalozana ara-barotra”, hoy ny tale jeneralin’ny Spat, Randriambahoaka Heritiana Anicet. Manodidina ny 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hananganana ny Port Sec III. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana fotodrafitrasa samihafa, ny toeram-piantsonan’ny fiarabe mpitatitra entana, ny toeram-pitobian’entana ary ny fampifandraisana amin’ny lalamby. Kasaina hatomboka alohan’ny volana aogositra ny tetikasa ka anisan’izany ny lalam-pidirana sy ny toeram-piantsonana mahazaka kamiao 500 isa.
Tombontsoa ara-toekarena
Vinavinain’ny Spat hahatratra 65 miliara Ar isan-taona ny vola hiditra amin’ny kitapombolany mandritra ny 3-5 taona voalohany. Mety hiakatra hatrany amin’ny 100 miliara Ar isan-taona izany aorian’izay. Ankilany, “hiteraka asa amina sehatra marolafy sy hampidi-bola amin’ny kitapombolam-panjakana ny tetikasa”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Spat. Ankoatra izay, an’arivony ny olona hahazo asa vonjimaika mandritra ny fanorenana ny fotodrafitrasa. Manodidina ny 1 500 kosa ireo hahazo asa maharitra amin’ny fotoana hiasan’ny fotodrafitrasa.
Efa manomana toerana mendrika sy azo antoka hametrahana ireo olona sy mpampiasa ny toerana ny Spat. Nambarany fa manodidina ny 270 ireo mponina voakasiky ny tetikasa ka maherin’ny 100 no efa nanaiky hafindra any amin’ny “Port Sec II”.
Henintsoa




