Tezitra noho ny kolikoly: nitokona ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be

Nidina an-dalambe, omaly, ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be, eto an-dRenivohitra. Nilaza ho leo kolikoly ataon’ny polisy kaominaly izy ireo. Nodian-dry zalahy fanina kosa ny tsy fanarahan-dalàna ataony.

Nidina an-dalambe sy ni­lanja sorabaventy mitaky ny handravana ny Direc­tion des transports et de la mo­bilité urbaine (DTMU) ny mpamily sy resevera misehatra amin’ny asa fitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina, omaly. Vo­kany, nikorontana ny an­davanandron’ny mponina. Nandeha an-tongotra avokoa ny ankamaroan’ny olona izay namonjy toeram-piasana. Anton’ny fitokonana ny tsy fanekena ny fanasaziana sy fanakanana ataon’ny polisy monisipaly, izay lazain’izy ireo fa anjakan’ny kolikoly. Mitaky ny fandravana ny rafitra DTMU ihany koa izy ireo. Toraka izany ny findangan’ny sazy na vola aloa ho an’ireo fiara aiditra am-balam-pamonjana. Nisy ny fi­ka­sana handoro ny fiaran’ny kaominina, saingy voasoroka izany. Nisy lehilahy iray koa voasambotra fa efa nahazo fahafahana taorian’ny fanadihadiana.
Nisy ny dinika teo amin’ny mpitokona sy ny eo anivon’ny kaominina. Nanome toky ny hijery izay tsy hahafaty ny reniny sy tsy hahabotry ny zanany ny andaniny sy ny ankilany. Nanamafy ny kaominina fa fanatsarana ny fitaterana eto an-dRenivohitra no anton’ireny fepetra ireny. Tapaka fa hiverina hiasa avokoa ny mpitokona, anio. Hatsahatra vonjimaika ny fampidirana am-balam-pamonjana ny fiara. Nanazava ny PDS an’Antananarivo Renivo­hitra fa azo atao tsara ny mitoroka ireo polisy mety manararaotra fahefana eny an-dalana.

Tomponandraikitra
Tsy afa-miala amin’ny olana sedrainy ireo mpamily sy reseveran’ny taxi-be eto an-dRenivohitra. Izy ireo mihitsy no fositra manome vahana ny kolikoly eny an-dalambe, raha ny zava-misy hita eny ifotony. Namoaka ny fiara mandeha amin’ny herinaratra ny eo anivon’ny fitondrana Fanavaoza­na, mba hanamaivanana ny fa­hasahiranan’ny mponina, oma­ly hariva. Hisy fiara telo hanampy tosika ny zotra isanisany.

Mino

Partager sur: