Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena nandritra ny fifanenjehana ny jiolahy raindahiny iray tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 23 jona teo.
Nanao asa fanafihana tao amin’ny fokontany Ambaniatsimo, kaominina Ankadikely Ilafy, nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ny jiolahy maromaro, ny harivan’ny talata 23 jona teo. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy ireo olon-dratsy ireo ary niditra an-keriny tao amin’ny mpivarotra enta-madinika iray. Tsy nisy alaharo, nandroba avy hatrany izy ireo ary nandrahona ny tompon-trano tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana teny aminy. Nanao tari-dositra ireo mpandroba taorian’ny asa ratsiny. Nampandre ny kaomisaria Avaradrano momba io tranga io ny tokantrano lasibatra. Niara-niasa avy hatrany ny mpitandro filaminana eo anivon’ny kaominina voakasika ka niroso tamin’ny fanarahan-dia. Nifandona tamin’ireo jiolahy ireto farany, nandritra io alin’ny talata io.
Nitsoaka tanaty lobolobo
Tsy lasa alavitra ireo olon-dratsy ireo tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaominina Ankadikely. Voan’ ny balan’ny polisy ny iray tamin’ireo olon-dratsy ka naratra mafy. Nitarika tamin’ny fahafatesan’ity farany izany. Tetsy ankilany, nanararaotra nandositra tao anatin’ny haizina tany anaty lobolobo ny jiolahy naman’io lavo io. Latsaka teny amin’ity farany ny basy vita gasy nampiasain’izy ireo. Mitohy ny hazalambo ataon’ny polisy manoloana ireo jiolahy nandositra.
Tsiferana R.




